Asaramanitra: Welcome to the new ERA ... today we celebrate the traditional Malagasy New Year Eve ...Happy New Year !

Taom-baovao Malagasy ! Toa vaovao amin’ny sofina ihany, indrindra ho an’ireo taranaka ankehitriny. Nefa dia zavamisy ary efa niainana tokoa. Hay ve ? Ankalazaina indray izy ankehitriny, efa taona vitsivitsy mantsy eh, saingy tsy re tsaika toy ny saka fotsiny ny fankalazana hatramin’izay. Tsy fantatra loatra izay nahazo ireo mpikarakara, ry zareo ao amin’ny Trano Koltoraly Malagasy, fa dia amin’ny fomba manetriketrika no hanatontosana ny lanonana amin’ity taona ity.

« Ny faha-26 martsa amin’ny fito ora hariva eo ho eo no hiposaka ny volana “Alahamady”, io ilay voalohan’ny taona ho an’ny Malagasy », araka ny fanambarana nataon’Atoa Randrianjatovo Henri, filohan’ny Trano Koltoraly Malagasy, sady mpandinika ny kintana sy ny zava-miafiny rahateo. Mpikaroka hoy ny fitenenana. Toy izay koa no nambaran’Atoa Rabearifeno, zokiolona tao amin’ity trano koltoraly ity, ary milaza ihany koa fa mpikaroka, ary mpandinika ny fiovaovan’ny kintana. Izy moa dia efa manana ihany koa ny mpanaradia azy.

Sambany teo amin’ny tantara raha ny fahitana azy no mba mitovy ny daty tinondron’ireto milaza azy ho mpikaroka ireto momba ny taom-baovao Malagasy. Io tsy fitoviam-pandinihana io mantsy dia fototry ny fizarazarana hatramin’izay, ka hatramin’izao. Samy miseho ho lohany e, hany ka ny fomba Malagasy, ny kolotsaina mihitsy no lasa very. Adino raha izay no tiantsika. Kisendrasendra ihany anefa izany satria, samy hankalaza ilay « Asaramanitra » amin’ny toerana samy hafa ny roa tonta amin’ity. Randrianjatovo Henri sy ny namany eny Ambohidrabiby. Rebearifeno sy ny mpanaradia azy etsy Analakely, ao amin’ny Tahala Rarihasina.

 

Loading mentions Retweet
Filed under  //  Event   Madagascar  
Comments (2)